Voronkely tsara loko, (Nosy Malala)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voronkely tsara loko,Reo voronkely tsara loko,
Notiavina sy nokoloiko,
Sendra nivoha ny varavarana,
Lasa nandao, nikopatanana .
Dia namboarina ny saina,
Afaka izy, mba te hiaina.
Nefa somary nampanahy,
Ndrao maninona any lahy.
Ny fo niventso nanantena,
Vorono รด mba miverena.
Teo ambaravarankely,
Izy....toa lavitra niery.
Dia navoaka ihany koa,
Sakafo, hanimpitoloha,
Sao hanintona ny fony...
F'efa veloma no nantsoiny.
Tantara sisa no navelany,
As'aiza indray zao no fonenany ?
Voronkely tsara loko, any ho any,
Nikopak'elatra nandao ny ankany!
Nosy Malala
Aprily 2023
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Fisarahana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Hevitra mandeha

TononkaloNM
(
02/05/2023 12:20)
Tsara be ilay antsa !!!! Misaotra betsaka an'Ikalamako.

ikalamako
(
02/05/2023 22:47)
Tsy dia havanana loatra fa natao tamin'ny fo re a. Ianareo no isaorana nizara azy ireny