NY AMPITSO (Ny Alimbetso Soa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sakafo tena ampyRAHAMPITSO
Vahoaka mifanampy
RAHAMPITSO
Fiainana milamina
RAHAMPITSO
Firenena tafarina
RAHAMPITSO
Masoandro mibaliaka
RAHAMPITSO
Foana ny ady politika
RAHAMPITSO
Ny anao, ny anareo
Ampitso, ampitso lava
Zary efa mankaleo
Rahoviana vao hisava
NAS 23/03/97 à 14h 32min
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana