You are here: home > Vetso

H i t s i k y ! - Ny Ami

Azo vakiana?


Hitsikiko ianao fa tiko,
Aho na oviana tsy hamaly,
Teo anilanao no mba niriko
Tosika no indro namparary .

Hitsikiko ianao fa nankahala,
Aho na oviana tsy hitody,
Faniriko ianao ho malala ,
Indrisy.... mandramaty ianao tsy hody.

Hitsikiko ianao fa mamiko,
Mandrakizay tsy ho fananako,
Anefa ianao ilay nindramiko
Mandramaty tsy .

Hitsikiko ianao f'efa very
Nandalo sy niserana,
Hitsikiko ianao fa tsy ahy irery
Fa any ho any ilay tena tompon-toerana!

Hitsikiko ianao hatrany hatrany!
Na dia aza napitondra ireo tomany ,
Hitsikiko ,ianao fa nanakora ,
Tamin'ny teny mafy tsy mba mora .

Hitsikiko ianao na dia aza tsy ho sakaiza
Nanava-tena ho fahavaloko,
Hitsikiko ianao hatraiza hatraiza ,
Rima anaty tononkaloko..............

Ny Ami

Mombamomba

Mpanoratra : Ny Ami


Nampiditra : NYAMI
Daty : 03/07/2015
Mpamangy : 867
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY SARINAO
MILA
NIOVA TONTOLO
S A B O T S Y M A I N T Y.
Madagasikara
Malagasy....
zo.........
Ho an'ny Gasikara
Mialatsiny
Feno