Tokatrano sambatra! (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokatrano sambatra!

Aza fotsiny mitia fa mitiava tena lafatra
Aza asiana "velantsihy"
Fa tanteraho aloha ilay hafatra;
Ilay tenin'Andriamanitra sy ireo Folo didiny
tanteraho am-pifaliana fa izay no nofinidiny.

Aza fotsiny mitia fa mahaiza aloha manaja!
Tanteraho ireo dina sy ireo voalazam-bava
Aza asiana hoe "satria"
Fa ezaho hasio "Nahoana"?
Raha sendra misy ny adiadiy ampahatsiahivo ilay fotoana!

Intsony ianao tsy ho kivy raha mahay manaja vady
Atsaharo hatreo ireo romoromo asehoy ilay tambitaby
Tandremo koa "rafy" fa manimba ny tempoly,
Ezaho hatrany ny mivavaka handresena ilay devoly.

Ity koa no mba tsarovy sy hatrany ataovy an-tsaina
Raha sendra reraka ny vady avelao haka aina
Ankafizo ny fitiavany fa izao no hananan'azy
Sao intsony tsy eo indray vao ndeha hanambitamby

Fadio indrindra ny mamoaka tsy tsaroana teny
Fadio koa ny manopa fa sao ho reny ireny
Ny fotoana mamapetra ny ny fo mafana rano;
Ny vava tsy ambina no mitondra faharavana tokatrano
.
Ny fitiavana koloy mba ho toy ny vonin-kazo
Aza avela ho mainan'andro fa tondrao mba tsy halazo
Ny rendrarendra no hadinoy fa io no mampihambatra
Ny vady no omeo toky mba ho TOKATRANO SAMBATRA!!!

Ny Ami
--------
Rohy:
1937 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 09/07/2015 09:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112