Fitia niova loko (ny eja)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka niova loko, nanjary antra sisa
ilay fitiavanao,
hionona ny foko
miangavy aho avelao.
Dia avelao hangina
hamafa ny alaheloko,
manjombona sy ho gina
ilay masoandro keliko.
Raha fombafomba sisa
tsy vokatry ny fo,
ilay fiarahantsika
izay manga teo aloha.
Dia avelao hisaona
ny anaranao aho ry aiko
fa ny miangavy foana
tsy ho vitako, tsy haiko!.
Dia avelao, ho kotsan-dranomaso
manjahatra fa ory
avelao hangaina,
aleo aho hiari-pery
ny lalanao no zory.
Dia aza miasa saina
Raha anio anie aho tomany
aleo fa zakako ihany.
Ny ho avy no andrandraiko
fahanginana no ilaiko.
Ny Eja
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/ny-eja/fitia-niova-loko
Sokajy :
Alahelo
Hevitra mandeha

Fenohery
(
24/12/2005 08:20)
Lalina izany . . . mazoto eh.

nyeja
(
27/12/2005 13:43)
misaotra fenohery a, misaotra nanome hevitra ny tononkalo an

pissoa
(
29/12/2005 08:07)
Toy ny tononkalonao efa no vakiako rehetra, dia tsara ity tononkalo ity. Ny hevitra omeny koa mifono herintsaina, tsy fitiavan-tena.
Niezaka naneho hevitra aho tao @ forum, dia averiko eto ilay tonokalo.
Niezaka naneho hevitra aho tao @ forum, dia averiko eto ilay tonokalo.

pissoa
(
29/12/2005 08:10)
Fitia amboara
(ho setrin'ilay tononkalo "Fitia niova loko" nosoratan'i Ny Eja)
Raha toa niova loko
Nanjary antra sisa
Ilay fitiavany;
Na hiram-boloky
Sy toa fombabomba
No alaoky ny vavany;
Dia aleo izy hisitaka!
Aza azomina akory
Ary aza potehina;
Aleo izy hibitaka!
Na dia tsy ahitan-tory:
Ny ho avy atrehina.
Dia ny fonao tonio;
Na dia namela ratra,
Ekeo ho tantara.
Fa ny hisolo ny anio
Dia fitia feno fatra,
Fitia amboara.
(ho setrin'ilay tononkalo "Fitia niova loko" nosoratan'i Ny Eja)
Raha toa niova loko
Nanjary antra sisa
Ilay fitiavany;
Na hiram-boloky
Sy toa fombabomba
No alaoky ny vavany;
Dia aleo izy hisitaka!
Aza azomina akory
Ary aza potehina;
Aleo izy hibitaka!
Na dia tsy ahitan-tory:
Ny ho avy atrehina.
Dia ny fonao tonio;
Na dia namela ratra,
Ekeo ho tantara.
Fa ny hisolo ny anio
Dia fitia feno fatra,
Fitia amboara.

nyeja
(
04/01/2006 11:05)
misaotra akia pissoa an
tiako be ilay izy an
tiako be ilay izy an

totty
(
06/01/2006 18:43)
Izany ka mpanoratra tena manana talenta !

fiaritiana
(
07/01/2006 09:46)
ary misy anankiroa ilay tononkalo a!fa tena tiako aloha izy ity e
Misaotra Ny Eja
Misaotra Ny Eja

nyeja
(
03/01/2007 08:13)
misaotra betsaka akia a tiako be ery ny fankasitrahanareo eto an marina e