You are here: home > Vetso

Izay no vita ny tantara ! - ny eja

Azo vakiana?

Izay no  vita ny tantara,
mifarana eto  ny  amintsika
tsy  misy intsony  ve ny  ambara
ity fihetsikao , mangatsiaka!

izay no  vita ny tantara
nefa atao ahoana moa
mba nisy  koa anie ny tsara
tamin'ny  fiinantsika roa!

Ny hany fanontaniana
mahalasa ny  vinany
sitrapo fanahiniana?
ity  fisarahana avy hatrany ?
dia nahoana aho  no  nisy
dia nahoana no  nitia
dia nahoana ihany  koa
raha tsy  nisy  isika roa ?
nefa ....
izay  no  vita ny tantara,
ny  ratram-poko hibanabana
tsy  mahatanty  aho  dia mitomany
ny  alaheloko  mikiky
ilay  endriko  nilaozan-tsiky
hirifiry  tsy hay  lazaina
fa nilaozanao  ho irery
indro aho  miferinaina ,

hiezaka aho  any afara
hanova jery ity tantara
hanova tsiky ireo  tomany
sy  hitraka hatrany hatrany.

Ny  Eja
poety sady  mpanoratra ,
Mpikambana ao  HAVATSA UPEM
(Fikambanana mpanoratra sy  poety  malagasy , naorin'ireo poety fanta -daza tahaka an'dry Rado, DoX ...,  efa niorina  50 taona lasa izay.
tranokala :www.nyeja.new.fr

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

nikopol (05/11/2004 10:45:01)

Iza io ry Nyeja ? fa maninona ary no vitaina zany !!!!! asivo ambikambiny ...

bichette (05/11/2004 11:09:43)

tohina foana aho raha vao maheno tantara toy izao

didou (05/11/2004 14:36:59)

Tsara be rehefa manana izay fisainana maka lesona amy tranga misy izay ! Mahereza e ! Ny

ainga (07/11/2004 02:32:22)

Trangam-piainana ihany io fa tsy voatery ho zava-nitranga, sa tsy izany ry Ny Eja ?

nyeja (07/11/2004 10:30:20)

misaotra anareo namako era-po sy era-tsaina anareo mamaky sy manome hevitra ny sangan'asako, ny aingam-panahy re dia tonga amin'ny fotoana tsy nifanomezana ka arak'izay tonga eo no ventesina, midika ihany koa fa tsy fiainan'ny mpanoratra foana no voalaza ao fa fiainana mety mitranga amin'ny rehetra izany .bizoroka mamy be hoanareo rehetra an

crrlanto (08/11/2004 20:36:37)

tsy ho vita ny tantara
satria anie hainao tsara
fa ny fiainana eto an_tany
tsy ilaozan,ny tomany
ka ho mety fifaliana
no ho valim_pihafiana
ny olon_tiana no nafoy
fa ny tantara mbola hitohy

andriary (09/11/2004 13:19:35)

ALEO HO VITA NY TANTARA tsy maninona ry nyeja!Tantara hafa indray iainana!izany no eto an-tany!
takatro tsara ny aingam-panahy nanosika anao eto!avelao TANTARA VAOVAO indray...

nyeja (11/11/2004 07:33:26)

misaotra betsaka an'i ccrlanto sy andriary mankahery ahy tokoa ny teny nomenareo .
Ny eja

tsikikely (17/02/2005 17:30:08)

tsara ny nanaoratanao io tononkalo io na dia izao ary aho vaoa mamaky ilay izy. TSARA FA TOHIZO

rapisoukely (11/07/2005 16:55:48)

Nahoana marina no misy ny fisarahana? satria tsy anjara. Mbola nay ho any ilay tena izy.

Hametraka hevitra

Midira aloha