You are here: home > Vetso

Raha mety ianao anio! - ny eja

Azo vakiana?

Raha mety  ianao  anio! *



Raha mety  ianao  anio ,
Hisokatra  ny    lanitra !
Izay   rivotra tadio  
miserana manakona
ilay  masoandronao ,
Ho  divy  tsy  ho  tazana.
Fa ilay  tontolonao  
Feno   hasambarana.

Raha mety  ianao  anio  
Ho kanto ho re  foana
Tsy  hisy  fahataperany,  
fa mandava taona
ny  hiran’ireo  vorona
Sendra manamorona
Irony    l├álanao  …

Raha mety  ianao  anio  
Ireo  mpandrava laka,
Manejika ivoho  
Ireo  mpifosafosa
Ireo  ratsy  loha
Ho lavitra  tsy ho hita
Tsy hahatratra anao .

Ianao  mitafy, ilay   fahatoniana lalina.
Ianao  miventy, ny  antsan’ny  tafarina.
Finaritra sy  miran’ny fifaliana vao,  
ireo no antenaiko, ho soritr’endrikao !.

Raha mety  ianao  anio !


Ny  Eja 2006

“Anio  01/01/2006”

Sokajy : Fiainana

Hevitra mandeha

nikopol (04/01/2006 12:08:47)

za efa 04/01/ vao tonga dia ahoana nyeja?
lol
Misaotra nyeja

nyeja (06/01/2006 05:05:54)

raha mety ianao anio , na dia efa 31 decembre aza vao mahita azy hihihih! dia anio foana ange ry nikopol e !!misaotra nanome hevitra e
ny eja

andriary (21/01/2006 09:01:43)

any mety aho anio
ho eo anilanao!
dia ho satriko hankafy
reto tonokalonao!

dia mety aho anio!
mba ho eo anilanao!
mba handre rotsirotsin'
ny asa soratrao

nyeja (02/01/2007 09:38:04)

misaotra ry Andriary a dia efa hitako fa efa mahafolaka tononkalo tsara ianao a .

rhina (12/09/2009 14:52:16)

iriko dia iriko ny ho eo anilanao
fa angamba ny elanelana no manalavitra ahy sy ianao
saingy mino aho, fa ho avy ilay fotoana
ho eo anilanao, ho eo mandava-taona

-------

d mbola maneo ny fankasitrahana an'i Ny eja hatrany tena kanto!

Hametraka hevitra

Midira aloha