You are here: home > Vetso

Tsara loatra ianao! - ny eja

Azo vakiana?

tena tsara loatra ianao
Dia toa  tsy  sahiko  jerena
anefa anie ity  masonao
mandinika ahy  tsy  hay  fefena !

eny  tsara ho  aho  ianao
ka tamin'izay  tsy  mba ninoako
izaho  izay  tsotra kely  itony
mety  hambabo  koa ny  fony ?

dia natopinao  indray  
handinika ahy  ilay  fijery
izaho  niafy  ny  nanahy
menamenatra irery!

dia narahinao  tsiky
eny  kanto  tsara loko
raha mba henonao  iky  
ny  fidobodobok'ity foko ?  

dia toy  izay  ilay  fihaonantsika
tany  etazonia tany ...
ankehitriny  ianao  tsy  hita
any  an-tany  lavitra any  .

ireo  taratasy  niampita
nifanoratantsika roa
no  hany  sisa nanambara
fa nahafinaritra  sy  tsara
tiana hitohy ilay  fiarahana.
nefa atao  ahoana moa ?
semban'ilay  fisarahana !.

Ny  Eja

Sokajy : ahy, Fitiavana, manokana

Hevitra mandeha

tia2005 (02/08/2005 10:39:51)

mahafinaritra tokoa ilay izy fa mihaina tokoa! tohizo fa tsara ê!

rhina (12/09/2009 17:17:12)

tena kanto

dia ho sanatria ve?
hifarana eo ny tantara
tsy hiaona tsony zany !

nefa aza manaritoky
fa mbola ho avy ny fotoana
hiaona iano sy izy !

ka hanao ahoana re e!
asa!,
ka izay no ilazako
oe!, hoe matokia

mety mahavaly azy ve io ry Ny eja mankasitra e!

Hametraka hevitra

Midira aloha