Any ho any .... Misy zar (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any ....

Misy zaridaina marevadreva-doko
Manintona ny fo'ko!
Zaridaina kely, mifono mistery
Manintona fijery!

Ao no mba iriko hihaonana amin-driako
Ry zazavavy tiako!
Satriko hamborahana, teny iray mafonja
Na 'ray minitra monja!

Misy dian-drangotra, voasoratrin'ny peniko
Na dia efa nafeniko!
Fitoriam-pitiavana, natao an'kerisetra
Fitiavana amboletra!

Ao nilazàko izay nanavesatra ahy
'zany aingam-pon'dehilahy!
Aza anomezan-tsiny raha toa mitonantonana
Fa rako-panembonana!

Misy tsiahy misoko, miainga avy ao anatiko
Manoatra ka tsy tantiko!
Tsiahy mampanahy, mamoha fahatsiarovana
Ka teo aho dia torovana!

Ao no nahatsiarovako, ilay niantsampy tamiko
'Lay sipa tena mamiko!
Sipa iray mba tiako, hampitondraina zaza
Nataoko ela fikàsa!

Misy teny iray, nataoko tarigetrako,
Ka raha tsy to, tsy hapetrako!
Teny iray mitifitra, toa basy arangaranga
ilazàko izay hitranga!

Ao ianao no hahita, fa izaho rehefa tia
Dia tena ho doria!
Fa tsy toy ny bandy, mahazo dia mitsoaka
Efa zatra ny mandoaka!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
970 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109