Dinan'ny fo'ko (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dinan'ny foko !

Rehefa miantsinana ny mody taratr'andro
Vao afaka hanadino anao angaha ny foko !
Na intsony tsy hitatao vononana ny andro,
angamba ho amin'izay , ianao vao tsy ho tsaroako

Rehefa tsy hiverina 'reo dindo-mahatsiahy !
satria angaha ianao mifidy hiova volo ,
Na koa rehefa foana ,ny embon'ny fanahy
Vao hanjavona ato ampoko , ny anaranao voasolo

Rehefa tsy hisy evina , handindona any ho any ,
Asa(...) mety hoe ;ho foana koa ny sery
Na rehefa tsisy setroka hanorika amin'ny tany
Izay angaha ny foko, vao hamela anao ho irery !

Fa raha tsy tanteraka ireo rehetra ireo !
Dia ataovy antsaina foana, f'izaho tsy hanadino
Raha tsy sanatria angaha, ianao no efa ho leo
kanefa amin' izany '(...) izaho tsy mbola hino !

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
520 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011