Ekena fa mirafitra , ny k (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekena fa mirafitra , ny kajikajinao
Nihevitra hanarina 'zao firenena izao
Kanefa mampahonena, fa aty Afrika
Dia farany mahantra , lay Gasikaran-tsika

Ekena koa fa nety, reo vina politika
Kanefa re tsarovy f'izany tsy midika
Fa sambatra ny Gasy ,manana mpitondra ngeza
Ka dia nangina tampoka ,ireo nahazo seza

Ekena fa mitohy ny ady amin'aretina
Fa isam-pokontany, efa voapentipentina
Ny fako mivangongo,tsy misy manadio
Ka zay ahiahiana, no toa mifafa kiho

Ekena fa nareo , be sosy sy be zesta
Kanefa ny madinika , ringanina aminy pesta
(Efa voafehy izany) tsy maninona f'ekena
F'aleo aloha atao ny fampihavanam-pirenena

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
520 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146