Fafao... Tsy azo antenai (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fafao...

Tsy azo antenaina ny toky fitia
Fa aleo aza mihaino ireo kely fambara
Toy izay lokaloka, fa hiara-dia
Fa hay toky fitaka, ny anao ry malàla!

Izaho moa tsy niahotra fa dia namboraka,
Tsy nihevitra akory izay mety ho ratrako!
Fa ianao moa nahita ankanga tsara soratra,
Tsy toa anao fahiny mpiantoraka antratrako!

Taloha mantsy isika, niray tokantrano,
Niray petsapetsa niray dinidinika!
Fa izao ankehitriny, nivadi-belirano
Nirintona ianao, fa tsy mba nandinika!

Dia vitanao teo ny nanararaotra,
Ity foko kely tsy afa-namindra!
Izaho tsy hiantso tody fa kosa hisaotra,
Hiangavy koa angamba, indrindra indrindra!

Ny teniko farany, fafao azafady
Ilay diam-pitiavanao namela pentina!
Ka aleo samy handeha ary samy hitady,
Fa raha hiandry lava, hidiran'aretina!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
415 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101