Faly ianao izao faly fa (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly ianao izao
faly fa nahita, izao tontolo izao
Dia ny any ampita
Fa ny taninao,
Natao ankilabao

Faly ianao izao
Faly ianao satria
Afaka mandositra lay nosinao mahantra
F'any ianao mizatra,fiainam-baovao
Tsisy raorao

Faly ianao izao
Fa nilaozanao,lay menatra mitaha
Dia lay Gasikara,,nasolonao vazaha
Any ianao milamina
Tsy asianao olana,na dia tany indramina
Sady ianao tsy manina

Nefa ianao lasa iny
Betsaka ny tsiny, miandry anao aty
Ireo nilaozanao,hanody anao fitia
Ka ento mora ihany
Fa mihodina ny tany
Sao rehefa hiverina,dia eo vao hitomany

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
810 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156