Iny akanintsika iny (Ny Ela Nihetezana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny akanintsika iny !
dia akaniny fitia,zay somary ambanivolo
Trano bozaka , mololo
nefa tsy mba bobongolo

Iny akanintsika iny
dia akaniny fitia, tsara omana nialoha
efa fitiavana taloha
no koloiny mbola hifoha

Iny akanintsika iny !
dia akaniny fitia, tsy navelako natory
Tsy mamoy na dia ory
fa fitia efa voatory

Iny akanintsika iny !
Dia akany fahazaza, mbola niara-nilalao
Nefa kosa tsy mba rava
fa mitoetra hatramin'izao

Iny akanintsika iny !
Dia akaniny fitia , tsy ravan'orana mikija
tsy mba miadana famindra
fa miha mirijarija

Iny akanintsika iny !
dia akaniny fitia ,tsy fahita eto antany
afa-tsy amintsika ihany
Ka dia maro mpanontany

Iny akanintsika iny !
dia akaniny fitia, zay tsy mbola misy anarana
tsy mitohy fa tsy mifarana
nefa tsisy fanitarana

Iny akanintsika iny !
No lay trano bongo kely, zay itoerany tantely
efa zary taninketsa
Ka ao isika no mitoetra

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
949 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146