Ireny sarintsika zay nala - Ny Ela Nihetezana
Azo vakiana?
Ireny sarintsika zay nalaina
Dia nangoningoniko hosasaina
Fa ireo no hany sisa tsiaro
Nivetsoako anao efa andro maro
Fa nilaozanao ka tokan-tena
Nanjoretra teo ,ka nahonena
Fa ireny sary no mba namako
Sisa mba fihiniko ao antanako
Mafy lay irery ,nefa indrisy
Zara koa reo sary aza nisy
Tsy nataoko sedram-pahalahelovana
Fa kajiko ho sary fahatsiarovana
Sokajy :
Fahatsiarovana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Ela Nihetezana

Nampiditra : raberyeudesse@gmail.com
Daty : 07/06/2019
Mpamangy : 482
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny hatsaranaoNafeninao ny marina,'tami
Tiako ianao
Ho an'i dada
Izaho mbola ho namanao ...
Ny fanevako
Androm-pahatsiarovana...
Izany ka poeta !
Ataoko ahoana ny hitia ra
Tsy resiko!