Izaho ilay mpiady... Iza (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ilay mpiady...

Izaho ilay, mpiady taminy fanjanaham-pitia
Te hanana ny soa ka mba nikolokolo
Bekotro maro holatra, fa tsy mba mpianjoria
Efa ela nihetezana ka tonga lava volo!

Izaho ilay niaritra ny hadalàny hafa
Nahavita niandry hatrany, na efa tena ory
Izaho dia izaho, tononiko mazàva,
Miandry anao hitodika, fa tsy hitanao akory!

Izaho ilay zatovo, miaritra fotoana!
Miari-pery lava, sy kotsan-dranomaso
Navelanao niondrika, navelanao nisaona!
Kanefa manantena, fa ho rava ilay ankaso

Dia mbola izaho koa, ilay tsy mba nikimpy
Na efa nosomparanao impiry ny fitiavako
Dia niezaka nitraka, tsy niondrika mihitsy
Izaho ilay mpanoratra ny lalana nodiaviko!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
386 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142