Midobodoboka ny foko Maha (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midobodoboka ny foko
Mahatsiaro manirery
Toa mibahana anoloako,
Ny alaheloko mahery
Isan"andro miady saina
Mieritreritra ato antrano
Toa tsy zaka ho zakaina
Fa dia eo manganohano

Mafy izany tokan-tena
Fa tsy hita izay hatao
Izay miseho toa mahasorena
Fa dia mahatsiaro anao
Ny ao ampo toa misy fery
Ny any anaty rehetra any
Fa satria moa miady irery
Ka mirotsaka tomany

Te hakifiko izany
Fa manelingelina ahy
Fa mibahana eo ihany
Ny fahatsiarovako tsy nahy
Niady mafy teo ny saiko
Nieritreritra ny fiainana
Ny fiantraikany @ aiko
Dia izaho tsisy hitarainana

Toa tsy fanainiako angamba
Ny hitia anao fatratra
Fa ny saiko no efa jamba
sady izaho tsy tonga lafatra
Ka raha sendra fahadisoako
Ny namendrofendro anao
Aoka re fa ho soloako
Raha toa ka azo atao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
781 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143