(Nalaina taminy tranga te (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Nalaina taminy tranga tena nisy)

Nijojo be ny orana indray hariva izay
Izaho sendra nitazana eny antokotaninay
Ny rivotra amin'izany nifofofofo mafy
Ny jiron-daboziako madiva ny ho faty

Akory ny hagagako mahita tovovavy
Mangovitra miampify, toa endrim-pamosavy
Ny lamba eny ankodiny, toa zara raha mitafy
Kanefa ny andolohany, feno miraviravy!

Injao fa godogodona no re mahery fiako
Ny riak'onjandrano, efa mahatondra fako
Fa kosa etsy andaniny lay zazavavy teo
Manatona tsy lavitra ilay vohi-pasana eo!

Nandroso ihany ny alina, fa tsy andriny akory
Izaho nitsikilo fa tsy nahita tory
Dia io lay zazavavy, mandihy mitotorebika
Manintsam-bovotany, mihira koa matetika!

Tsy tantiko ny dihy nataon-drazaza vavy
Ka iny aho fa nanatona, nihevitra hiangavy
Fa toa nampalahelo , nahita azy efa nangovitra
Kanefa dia voatery, mandihy mihovotrovotra!

Nihanalefadefaka 'lay oram-be nikija
Ka io lay zazavavy, nahatsiaro nangatsiaka
Nanatona mba hialoka , ny lavaranganay
Fa efa sasak'alina, angamba tamin'izay!

Akory hoy ianao fa tazako ny endriny
Tsy iza ny anao vavy, fa fantatro aminy fihetsiny
Hay io lay tokam-poko, saika efa andefimandriko
Vao niaraka herintaona, dia lasan'ilay zandriko

Somary nalahelo aho rehefa nahita azy,
Fa lasa zanak'alina, nanjary mpamosavy!
Raha taminy toeranao, inona no nataonao
Fa tamin'io andro io izy, navelako am'izao!

Iny trangan-javatra iny, saika tsy nampino ahy,
Fa nahavaky fo, naha-valaka fanahy!
Lay silako taloha, nanjary zanak'alina
Aminy manaraka aho, hitandrina ho malina!!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
429 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139