Nisy andro nahitako, ny a (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy andro nahitako, ny asa soratrao
Izay niheverako hoe, navantanao tamiko!
Nibitaka aho namaky izay voalaza tao
Kanefa ianao tsy teo fa ny sarinao no tiaviko !

Tsy haiko izay mety antony, fa iny soratrao iny,
No tena nampitempo, ny atina vavoniko!
Raha tsy ahy angamba izany, dia ianao homeko tsiny
Fa izaho na dia mpanoratra, ianao kay mbola amboniko!

Vao izaho namaky andalany, angamba ray na roa
Dia toy ny nibitsihana fitia tsy misy sarany!
Nahatsapa ho notiavina aho ka lasana ambiroa,
Ka saika tsy nahavaky ilay tohiny hatraminy farany

Ataonao ahoana angamba, rehefa ianao manoratra,
Fa sady tsisy diso no sora-pitiavana
Mivantambantan-teny, m'antefa sy mamboraka
Raha ianao angamba mitia, tsy hety ravana

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
475 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147