Nody alina... Ndray andr (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nody alina...

Ndray andro aho tara hariva niandry fiara fitaterana
No nitopy ,ka nahita!
Indro Zazavavy iray izay tena fanaperana
Nijoro teny ampita !

nandramako sinangy ,nataoko kipy an'ila
toa maso indray mipika !
kanefa tsy niherika fa toa namilafila
tsy nety nisariaka !

Dia kivy teo ny foko , nahita ity hakantony
fa tsy mba nihevitra ahy !
,na bika na tarehy , na koa filantolantony ,
Manintona fanahy !

Rehefa ela ny ela, zahay no sisa teo
F'izaho tery andafy
Nifampijerijery, fa tsy nahenoana feo
izaho naniry mafy !

Kinanjo rehefa tapitra tsy nisy fiara intsony !
izahay no sisa farany !
nandramako nohatonina, hakako ny ao am-pony
Nanontaniko ny anarany

"etsy ange" hoy aho , andao mba handeha antongotra
Fa hateriko ianao !
Hay izy tsy sarotiny , fa vao maika aza samokotra ,
Nataoko be lazao !

Dia revo izahay roa , nandeha an-tongotra eny
ny lalana tsy akaiky !
F'ity zavavindrano , toa sipa tsy miteny
Fa fotsiny manaiky !

Ny masaka tao amiko dia ho azoko ra-sipa
Fa manaiky zay lazaiko !
fa hay ny andefimandriny efa sasatra eny ampita
Miandry azy , fa tsy haiko !

Dia teo nangasihasy , ilay foko nanantena
Kanefa mody lavitra !
Nanati-badin'olona , ka nody avy eo nivena
Tsy nisy mba nanatitra !

Rehefa teny andalana vao sahy niantso tody !
Niady saina lalina !
tsy vitany efa reraka fa mbola alim-pody
Saika efa sasak'alina !

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
492 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142