Ny fonjanao ry neny! Mba (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fonjanao ry neny!

Mba nitalaho ihany ianao, ry neny tiako
Mba niangavingavy, hijanona tanilako
Kanefa efa tapaka, fa hanomboka eo ny diako
hisaraka aminao, ilay tokako sy silako!

Tsy maintsy hekentsika, izao ora mafy izao
Migadona tsy ampoizina, sy tonga tsy nampiomana!
tsy maintsy hisara-toerana isika roa sy ianao!
Tsy nohony hadisoanao fa nohony fialonana!

Ny fonjanao ry neny, dia fonjantsika roa
Ianao miaritra any fa izaho aty tomany!
Ny ratranao ry neny, tsy nampoizina hahavoa,
Ny andavan'androntsika feno sentosento hatrany!

Dia any ianao migadra, misy mpiambina masiaka
Misy olon-doza maro, tsy mba mety ifandaminana
Izaho aty mahatsiaro ireny fiarahantsika!
Tsisy reny hikolokolo, tsisy ray mba hiankinana.

Angamba ianao izay, efa tsy mahafantatra ahy
Fa izaho kosa neny... sanatria ny hanadino!
Efa lehibe aho mantsy, rongarongan-tovolahy,
Ka hitsena anao tsy ho ela, amin'ny ora tsy hampino!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
392 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095