Taratasy farany (Ny Ela Nihetezana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratasy farany !!!

Niriko re ry dada,raha izaho no nisafidy
Niriko dia niriko ny mbola ho nitoetra
Fa ny androko voafetra ka tonga ny tsy fidy
Dia tapitra tanteraka ny androko rehetra

Voakosoka ny anarako ka tsy afaka soloana
Hizotra manirery 'lay lala-mikitoana
Misampana ry dada ny làlan'ny fanahy
Koa aoka ny tomany fa tsy hampiverina ahy

Tsy maintsy ho faranako ny sisa faran-teny
Votsory koa ny tànako fa tazako i neny
Tazako mitsena 'lay vata-mangatsiakako
Mivimbin-damba fotsy, mamafa rà mandriakako

Raha sendra mahatsiaro, na rehefa sendra mievina
Aza manahy ry dada, f'izaho dia tsara levina
Aza misaina akory ny hanati-boninkazo
Dia aza oriory fa any aho dia mahazo

Ity no taratasy anaovako veloma
Satria mivaloarika ny endrikao voadona
Tsy maintsy ianao ho lena, raha mbola miaina etý
Koa tehirizo tsara ity taratasy ity


Mpanoratra , ilay zanakao (Ny Ela Nihetezana)
--------
Rohy:
823 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181