Tsy hitsahatra(...) Tsy (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hitsahatra(...)

Tsy hitsahatra aho hanandratra, ny anaran'Andriamanitra
Namorona ny taolako sy ny nofoko rehetra
Tsy miseho miharihary fa monina any andanitra
Mpitondra ambony indrindra, mahery tsy hita fetra

Tsy hitsahatra aho hidera, an'i Jesosy 'lay mpanavotra
Nanolotra ny ainy, ho an'izao tontolo izao
Nikosoka tanteraka, 'reo ota izay nanafotra
ka nanadio ny tenako, ho olom-baovao

Tsy hitsahatra aho, hihoby ny fanahy mpankahery,
Nanovo hery ho ahy, rehefa sendra ketraka!
Fa na ho lavi-dalana, izaho tsy mba ho very,
Fa eo izy hanoro, handrisika ahy hiezaka

Tsy hitsahatra aho, hanely ny vaovao tsara,
'Zay miorina tanteraka, ao aminy baiboly
Na hisy ny hanenjika na hisy ny handrara!
Izaho efa voahosotra, voairaka hitory

Tsy hitsahatra aho handroso, eo an'Alitaranao
Fa tsara sady mendrika, ka tiako sady mamiko
Ry Rainy fahagola, mitoetra hatramin'izao
Iray andro ao ankijànanao, no arivo taona amiko

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
710 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145