Vao mihodina ny ora, Dia (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao mihodina ny ora,
Dia reko moramora, midoboka mihafy
Ny foko voagafy
Fa mafy tena mafy, ny ratra nahazo azy
Nafitsok'ilay taizako
Ilay zazavavy iray nanaiky ho sakaizako
Ka tonga nihanalefaka ny tempon'ny fidobony
Fa nofinofy sisa, ilay firoborobony!

Vao mihodina ny ora,
dia tsy mba moramora, ny tebitebim-poko,
Fa re mifokofoko,mangaina sy manahy!
Navela hitoloko, ka dia nangahiahy
Dia izay sy izay hatrany ny ady manjo ahy
Indrindra rehefa mihodina 'lay ora tamin'iny!
Fa mantsy tokan-drery fa olom-pivahiny

Kanefa na izany
Mbola mitoetra hatrany, tsy ampoizina hihena
Ilay fo'ko manantena
Tsy ho azony fehezina tsy ho azony fefena
Fa efa miezinezina, ny fiandrasam-pandresena!

Tsy ataoko hahavoa,
intelo na indroa, ny ratra toy izao
Tsy ekeko ihany koa, ny foko mbola ho lao
Hijaly sy harary
Fa aleoko afoy tanteraka 'lay voady tsy manjary
naloako tao am-bava
Ka aleo mihitsy ho rava e!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
432 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149