Vao nitopy taty amiko ny (Ny Ela Nihetezana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nitopy taty amiko ny masony
Dia reko tao anatiko ny bitsikiny fo'ko!
Fa saingy ny fihetsiko no tsy azony
Naleoko fotsiny ihany nitia antsokosoko!

Tsy tanty ny tsy hangalatra fijery
Fa izy koa tsikaritro mandinindinika ahy!
Ka teo izahay ,nifanga-piery
Ny ampo mifankatia,ny hiteny tsisy sahy!

Vao hitako nitodika ny tavany
Dia toy ny tara-bolana mitaratra ny tavako!
Mandrisik'ahy hamantatra ny anarany
Ny tsikitsikinao,manohina rahavako!

Ny Ela Nihetezana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
437 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142