Raha ho avy (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Nantsain'i Ny Hafatra Randriantiana
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy Raha ho avy ihany ilay andro tena hamoizako anao,
Eto am-pototr'ity hazo aho hitomany.
Hafoiko ao anaty tapaky segondra monja izao tontolo izao
Izaho hizotra makany
Tsy ao anaty taratasy nifaovan-tsonia tamin'ilay Mpahary
Na koa ao anaty toko sy andinin-tsoratra masin'ny baiboly
Ny hoe : hafoiko tsy ho ahy intsony ianao, dia izaho hisaona sy hitomany
Lalan-tokana monja no azo andehanana
Raha toa ka misesisesy ireo ady sy fakampanahy
Poizina mahafaty ny fisarahana
Ndrao tsy ho fantatry ny zanaky ny omaly
Fa raha ho avy ihany koa ny fotoana handaozako anao
Dia ny aina efa ritra loharano no hisinda, hisintaka ny nofo sy fanahy
Hanao veloma ahy avokoa izao rehetra izao
Hatramin'ny ranomasina mantompatompa mitomany.
Ka hisaona ireo vorona sakaizakeliko any anaty ala mangitsoka.
Ny Hafatra RANDRIANTIANA
--------
Rohy:
Mpakafy:
Ny Hafatra Randriantiana
Hevitra mandeha

hery
(
26/02/2025 21:55)
Salama,
Io antsa navelako ao io no izy saingy tsy nataonao hoe azon'ny rehetra jerena ilay lien dia tsy afaka mandeha.
Jereo eto ny fomba fanovana azy. https://vetso.serasera.org/Fampidirana-Antsa
Io antsa navelako ao io no izy saingy tsy nataonao hoe azon'ny rehetra jerena ilay lien dia tsy afaka mandeha.
Jereo eto ny fomba fanovana azy. https://vetso.serasera.org/Fampidirana-Antsa

Ny Hafatra Randriantiana
(
27/02/2025 11:48)
Hery, misaotra indrindra tompoko 🙏
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANANampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 26/02/2025 05:56

Antsantononkalo
Nantsain'i Ny Hafatra Randriantiana
Audio Player