HANY HASAMBARAKO - NY HARIAINA
Azo vakiana?
HANY HASAMBARAKO
N´orambaratra hifafy hanakotsa izato tenako,
Na rahom-be mikitroka hanamaloka ny androko
Tsy hampaninona ahy;
Raha mbola eo ianao ilay anton´ny fiainako
Hazavana, manafana, hany tokana masoandroko
Lavitra ahy ny ahiahy.
Kanefa mbola mamiko, satriko sy tiako,
Raha lafatra ny fiainako no koa ianao eo
Ahy izao tontolo izao;
Inoako, izay rehetra hitako zary ho fifaliako,
N´inona hitranga,n´inona hiseho sento na toreo,
Noho ny eo anilanao.
Fantatrao satria,
Fantatrao tsara
Ny an-tratranao malala
No hany hasambarako.
NY HARIAINA
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : NY HARIAINA

Nampiditra : nyhariaina
Daty : 20/12/2012
Mpamangy : 1425
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIATSIAMBARATELO
MANANTENA
TIA ANAO
IZY IRERY IHANY
TAKORITSIKA (any DAGO any...)
NISERANA
HO ANY AHO
INY MALALAKO INY
HANAKORY