You are here: home > Vetso

TAMBERIM-PITIA - NY HARIAINA

Azo vakiana?

TAMBERIM-PITIA

Tsy afa-po angamba
Ny lasan-ko tantara?
No toa, tsy nisalasala
Namoha ho ''ankehitriny''
Reo nototofana fahiny.

Tsy maty aza ve
Ilay kiafoafo omaly?
Toa piti-banja ihany
Dia ampy indray namelona
Ny lasan-ko lavenona.

Mbola tsy afa-po
Ny hasambaratsika roa
Fa nipongatra indray.
Dia mbola tsy maty koa,
Ilay fitiavantsika roa
Ka nirehitra hampiray.

Ataontsika tsara kolo.

NY HARIAINA

Sokajy : Fitiavana