You are here: home > Vetso

IZY IRERY IHANY - NY HARIAINA

Azo vakiana?

Ampy ahy tanteraka iny malalako iny,
ampy ahy ny fitiavany
ampy ahasambatra ahy.
Fa tsy ianao izay tsy fantatro
na "ilay notiaviko fahiny",
no ndeha hisariako adala.

Ny ahy manko, iny fitiavako iny,
tokana aman-tany
ny toetra amam-panahiny dia azoko "irehána"
fa voataizana anjely.
Ka tena miala-tsiny,
fa tsy ianao* velively
no ndeha hasoloko azy.

NY HARIAINA
*izy

Sokajy : Fitiavana