HO ANY AHO - NY HARIAINA
Azo vakiana?
HO ANY AHO
Te ho any aho,
Ho any amin´ilay toerana tsy misy fahoriana
Ho any indrindra aza dia tsy hanam-pijaliana
Mba ho any mihitsy fa any mantsy misy fitsaharana
Dia hitoetra any foana aho ka ho rako-piadanana
Te ho any aho e!
Rehefa any aho mantsy tsy halahelo, tsy hisento,
Hisinda hatreo daholo koa ny fery, jaly izay reko
Hanalavitra ahy tanteraka ny ranomaso sy ny ngidy
Any aho vao hilamina... Hiova aza sarobidy
NY HARIAINA
Hevitra mandeha
Rhad (04/12/2012 14:35:15)
....Tsy ho any intsony isika e! tsy ho any f’efa vita
Tarangana lay jaly nitempo anatinao
Tsy ho any intsony isika e! tsy ho any f’efa ritra
Maina karakaina lay sento nankalao....
Sa tsy mety enao????
Mombamomba
Mpanoratra : NY HARIAINA

Nampiditra : nyhariaina
Daty : 08/07/2012
Mpamangy : 1399
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIATSIAMBARATELO
MANANTENA
HANY HASAMBARAKO
TIA ANAO
IZY IRERY IHANY
TAKORITSIKA (any DAGO any...)
NISERANA
INY MALALAKO INY
HANAKORY