HANAKORY - NY HARIAINA
Azo vakiana?
HANAKORY
Tsy haiko ry tiana
Tsy ho azo vinaniana
Ity foko kely jamba
Raha toa ianao ka banga
Na tsy anilako eto
Mazàna aho no matahotra
Tsy sahy sy toa miaotra
Mandinika ny atao
Raha toa ka tsisy anao
Angamba dia ho loza
Mampivarahontsana
No koa mampikorontana
Ny hatrany anaty lohako
Miteraka ny olako
Ilay fahabanganao kely
Tsy tiako akory heverina
Mitady hampiketrona
ity handriko sahady
Raha isika roa no hiady
Angamba asa fotsiny
Mampamoy fo,
Mandreraka ahy tokoa
Mampahory ny fanahy
Raha toa ianao tsy ho ahy
Ary tsy ho anjarako
NY HARIAINA
(Sept 2011)
Mombamomba
Mpanoratra : NY HARIAINA

Nampiditra : nyhariaina
Daty : 28/04/2012
Mpamangy : 1122
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIATSIAMBARATELO
MANANTENA
HANY HASAMBARAKO
TIA ANAO
IZY IRERY IHANY
TAKORITSIKA (any DAGO any...)
NISERANA
HO ANY AHO
INY MALALAKO INY