You are here: home > Vetso

MANANTENA - NY HARIAINA

Azo vakiana?

MANANTENA

Te hamangy
Te hijery
Te hahita anao,
Izao dia eny izao

Te hifaly
Te hisambatra
Te ho anilanao,
Fa tsisy ny azo atao.

Hany hery,
Aleo mijery
ny sarinao irery.

Mbetika sorena
Fa toa manorisory,
ny tsy an-tratranao akory.

Kanefa manantena,
Fa hoavy ny fotoana
Tsy maintsy mbola hihaona.

NY HARIAINA

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hevitra mandeha

hery (27/12/2012 10:59:14)

Fa hoavy ny fotoana
Tsy maintsy mbola hihaona.

nyhariaina (27/12/2012 19:00:14)

Izany tokoa, ny figadonan┬┤izay fotoana izay sisa andrasana.