TSIAMBARATELO - NY HARIAINA
Azo vakiana?
TSIAMBARATELO
Iny, tambavin'ny fanahy
Tsy lefitry ny nofo
Tsy levin'ny fotoana
Tsy hivaingan'ny hatsiaka
Na sanatria koa,
Halazo na hihofo
Tsy maintsy hotadidy,
Hotsaroana foana
Hanefy ny ati-saina;
Aina! rohy mampiray antsika.
Iny, tsiambaratelo miavaka
Tsy misy mpahalala
Tsy misy mahafantatra
Tsy misy mahatsikaritra.
Hatreto ianao hiraiko,
Am-po fa hoe malala
Malala! malalako ankamantatra
Kanefa inoako haharitra.
Iny àry, tsy horaketiko an-diary
Kanefa dia diary.
Diarintsika roa,
Manohatra ny "idealy"
Misoratra ao am-po.
Diary hotadidy,
Diary mandra-maty;
Ka tehirizo tsara
Fa mirakitra tantara,
Tantara tsy hofaty.
NY HARIAINA
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : NY HARIAINA

Nampiditra : nyhariaina
Daty : 21/01/2013
Mpamangy : 1477
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TAMBERIM-PITIAMANANTENA
HANY HASAMBARAKO
TIA ANAO
IZY IRERY IHANY
TAKORITSIKA (any DAGO any...)
NISERANA
HO ANY AHO
INY MALALAKO INY
HANAKORY