Mba toa anao koa (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA TOA ANAO KOA

Tsy adala ianao tsy akory
Raha toa ka hoe nitory
Sy tsy nisalasala
Ny niantso ahy MALALA
Fa fitiavana izany


Tsia, tsy fahotana
Raha toa ka hoe tsy tana,
Tsy tohatrao intsony
Ny niezaka hikomy
Hanafina fitia
Tsy tsininao tokoa
Ny nilaza ny ao am-po
Namboraka ny marina
Fa tsy hay takarina
Ny fitiavanao ahy


Ny tsy azonao anefa:


Izaho raha hoe nianjona
Raha mody tsy nijery
Tsy midika hoe niavona
Tsy izany velively
Raha nampifilafila
Sy mbola nampiandry
Tsy, sanatria, tsy mila
Fa efa tsy tafandry
Koa ny ao am-poko ao
Fa mba...
Tiako koa Ianao!

NY HARIAINA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1268 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 02/01/2012 12:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097