Fitia mangidy (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niezaka nandefitra aho,
Mba ho tianao
Nanantena hoe hiova
Ilay toetranao

Taona maro aty aoriana
Nandao ahy ianao
Tsy nahasakana an’izany
Ilay fitia nianjonanao

Fa tsy takatry ny saiko
Ny adalànao
Ny hasarotam-piaro
No nanaronanao
Ireo fitaka efa tsara paika
Izay nambabo koa ny saiko

Dia azonao ny fandresena
Sy ireo kinasanao
Izaho voadona mafy
Vaky fo sy lao

Ny fotoana tena mamy
Fohy ireny niarahana
Fa voamangidy sesilany
Ela izay no nandramako

Fa tsy tiako ho fantatrao
Ny jaly iainako izao
Na ho ela na ho haingana
Dia mbola hogohinao
Izao tangenako izao


Ny Kanto. Ho an’i Rianala. Mahereza, mitraka, mahatanjaha! Ny namanao Ny Kanto.Fontenay sous bois 14 jona 2004. 8 ora 19 hariva.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1884 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 14/06/2004 19:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142