046 - DIHY (Ny R. FIDIMANANTSOA)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anatin’ny vinaniny:
Manakatra ny laniny
ny ainga fisomediky
ny rindran-totorebika

D’injay ny sefosefon’
ny vatany marefo
fa tojo indray ny lakan’
ny haravoan-tsy zakany

Voadona angaha ny ratrany
ka tiany hiala an-keriny
‘lay tosika eo an-tratrany !

Nefa hay moa io tsy sarany
mihitsy. Ôh ! naveriny
ho TONGA... hasambarany.

Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/ny-r.-fidimanantsoa/046-dihy
962 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny R. FIDIMANANTSOA
Nampiditra : liber_t
Daty : 01/12/2013 17:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3889