Manina anao... - Ny R. FIDIMANANTSOA
Azo vakiana?
Hielina foana ny topim-binany
afafin’ny tsiaro misoko mangina;
Rehefa mahery ‘zay onjan’izany,
Iza no tsy hahatsiaro olontiana?
Ny foko, aza, nony tsy eto iny ianao,
injany fa reko mitepo mahery;
Asaina mitony kanefa injao
Ianao no antsoiny hofihininy irery.
Ny embona manko...! tsy haiko resena;
Ampy hahafaty ny foko efa tia.
Manina anao aho ka zary jambena,
Atopatopan’ny tsiaro satria:
Mamiko ianao, sady tena lalaiko;
Ianao irery, tsy mila mpanampy;
Kanto tsy hisy hahasolo ato an-tsaiko;
Ody alahelon’ny foko niantsampy
Ny R. FIDIMANANTSOA
Mombamomba
Mpanoratra : Ny R. FIDIMANANTSOA
Nampiditra : Liber_TDaty : 16/11/2013
Mpamangy : 1528
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
REHEFA TENA TIA046 - DIHY
VINANY
HOE "TSOTRA BE"
TSIARO FITIA
DITRA
HO AN’IREO … HODY
HIHAVANA ISIKA
HAHAFANTARANY