HOE "TSOTRA BE" - Ny R. FIDIMANANTSOA
Azo vakiana?
Hoe, tsotra be angaha ny soratro !
Amin’ny adi-rima enjehiny !
Sy ny hevitra kotrehiny ;
Ho inoko ‘zay fitsarana
F(a) hakorisako ny penina
Hahalaza am-pikajiana izay kinasako hotenenina !
Hoe, tsotra be angaha ny tonony :
Amin-teny mahazatra,
tsy mandóna ny ao an-tratra !
‘Zany ve hiasako loha
tsy hanoratako ! Ho sakana,
hamonoako ao an-karanany ireo ainga tohivakana !
Hoe, tsotra be aho raha milaza !
Tokony ho mpanao gazety
Fa tsy hisandoka ho poety
‘Zay anarako, moa olana ?
F(a) homeko izay voatefiko
Hametrahan’ny tantara izay ho toerana sy refiko !
N’iza n’iza sahy mitsara,
Tsy ataoko hampiasa loha ;
‘Zay anarako any, tsy olana ;
Fa ampy anofisako, hanakarako ny volana !
Avelao ho tsotra be !
Ny R. FIDIMANANTSOA
Mombamomba
Mpanoratra : Ny R. FIDIMANANTSOA
Nampiditra : Liber_TDaty : 16/11/2013
Mpamangy : 1015
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
REHEFA TENA TIA046 - DIHY
VINANY
TSIARO FITIA
DITRA
HO AN’IREO … HODY
HIHAVANA ISIKA
HAHAFANTARANY
Manina anao...