Inty ny foko Tompo, torot (Ny Radontsoa Mamiratra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty ny foko Tompo, torotoro foana vao entiko Aminao
Fa raha sitrakao, mbola sitrano indray
Dia aza manafay na aza aho maditra…
Fa mamelà ny otako
Dia aza mbola asaina mamerina ny trosako aho
Fa na ny aiko aza tsy haha-efa izany …
F’Ianao mpamindra fo, esory ao avokoa ny ratsy rehetra rehetra
Ireo eritreritra mamiravira ny aiko,
Kanefa izaho Anao,
Koa aza avelanao hanimba ny atisaiko ireny rehetra ireny
Dia ampianaro aho tsy hiteny afa-tsy izay bitsihan’ny Fanahinao
Fa mantsy tao ho ao
Mipentsona maharenina ny molotro maloto
Mandratra ireo sofin’ny olo-maminao
Hifonako eto izany
Ny masoko tomany @ zavatry ny tany : fitaka sy lainga
Hifonako ihany koa,
Manomboka androany,
Aoka aho tsy hitomany afa-tsy ho Anao sy ireo ondrinao vesaram-pahoriana
Dia ity foko ity sy ireo fo marobe ‘zay mitahiry Anao
Mba fenoy hafaliana.

16/03/2022
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fiainana
415 1
Mpakafy: jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 27/02/2023 10:46
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141