Ny foko sy ny fony ... (Ny Radontsoa Mamiratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko? Mavokely! Mivolombolon-tsiky,
manafana ny aiko rehefa izy mijery;
Mihaika hirahira sy fitia mitampify
anaty topi-maso mipitra, manirery,
rehefa aho eo anilany …
Maniry te-ho silany …

Ny fony? Volon-tany! Manitra hatsarana:
Mifono fahendrena sy halemem-panahy;
Andry sy fialofana mpampiely hafanana
rehefa tonga ety mba hampiresaka ahy …
Mivolom-paradisa …
Maniry ahy ho tafita …

Ny Radontsoa Mamiratra
--------
Rohy:
195 1
Mpakafy: s19andry5851
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 15/06/2024 12:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157