“What do you call it, freedom or loneliness ?" Charles Bukwoski (Ny Radontsoa Mamiratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina ka mangina ny andronay ety
Misento ka misento … Mamerina mandia
‘lay eritreritro iny : ‘lay tia misetrasetra ;
‘lay faly mampanjavona ny misy ety rehetra !

Fa mamy ange ka mamy ‘lay akanin’i Neny
Fa tiana koa ka tiana ‘lay zandrinay ireny …
F’izany tsy mba fantatra, izany tsy mba hay
raha tsy feno fendrofendro … An-tany lavitra izahay …

Nanakaiza ianao, nankaiza … r’ilay fahazazàna ?
Ilay malefaka iny, ‘lay mpino fahagagana …
Fa osa ange ka osa ny foko mahonena
giazan’ny herisetran’ny fahaleovan-tena …

Ny Radontsoa Mamiratra
17/04/2023
--------
Rohy:
153 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 27/05/2023 10:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0613