Te ... (Ny Radontsoa Mamiratra)

Nantsain'i Ny Radontsoa Mamiratra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te ….

Te mba hitopian’ny masonao mamiratra
ny masoko te-hihiratra hibanjina maharitra;
Te-mba ho finaritra hianoka, hijery
ny hakanto sy ny herin’ny onjam-pamindranao;
Te-hihaino anao hiantsa sy hihira,
hatraty an-dakira ny fitiavana mafonja;
Te-ho voafonja ho anao an-tsitra-po:
hifanakaiky fo mandrakizay doria;
Te-hiriaria eto amin’izao tontolo izao
eo anilanao, hitety hasambarana;
Te-hiantso ilay anarana mamiko indrindra
nataoko tsara rindra ao anaty tononkalo;
Te-hikalokalo ny hatsaran’endrikao
mahatonga ainga vao sy ahondrako any A-nofy;
Te-mba hanonofy ny isika tafaray:
roa ho lasa iray tsy arahim-bedibedy;
Te-hirediredy ny bitsi-po tsy tohitra,
na aza hifanohitra dia mbola ho tia mangina;
Te-haminavina ny resaky ny fo
raha toa isika roa no ho lasa tia sy tiana!


Ny Radontsoa Mamiratra
28/03/2018
--------
Rohy:
105 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 23/07/2024 15:45
Antsantononkalo
Nantsain'i Ny Radontsoa Mamiratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141