Tamberina (Ny Radontsoa Mamiratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamberina

Horohoron’eritreritra manefy ny tsy misy;
Oriory manantena nofy ravan’ny maraina;
Hariharin’alahelo nasafoton’ny “indrisy”;
Nieriery teny an-tsefaky ny tsiky mody hiraina …

Tabataban’ny omaly mihaika sentosento anio;
Tobitobim-pahoriana natambolin’onjan’ady;
Tebatebaky ny saina te-hilamina sy hadio;
Tebitebin’ny fanahy trotratrotraka sahady …

Horakoraky ny kalo miako anatiko tsy tony;
Harikariky ny vintana miavona sy moana;
Arakaraky ny lasa te-hiaina fanindroany;
Herikeriky ny foko mbola revo miandry foana!

Ny Radontsoa Mamiratra
06/07/2020
--------
Rohy:
111 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 08/01/2024 11:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137