Nankaiza ? (Ny Radontsoa Mamiratra)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ny kirin’ny saina
nanohitra ireo nofy adala?
Fa vetso no sisa hirain’
ny foko mitady malala …

Nankaiza ireo herisetran’
ny tanjona iadiako androany
No lasa namela hitoetra
an’izany fihetsem-poko izany?

Nankaiza ny hamafin’ny fo
Fa fitiavana sisa tavela ?
Natsonikao tao avokoa,
R’ilay niditra nefa tsy niera!

27/02/2023
--------
Rohy:
476 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 03/04/2023 04:36
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138