Raha ... (Ny Radontsoa Mamiratra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hirahira ho anao no hokaloiko,
mba ngadona inona no omeko anao,
R'ilay misitery nandrava ny nisy ?

Raha tononkalo no hany hovetsoiko,
Sarin-teny inona no harindrako ao
hanaronako ny hafaliam-poko mitsiky ?

Raha toa ka fitiavana izany trotroiko ...
Rahoviana, rahoviana vao ho fantatrao
R'ilay lasa solofon'ny masoandro dify ?

Ny Radontsoa Mamiratra
26/04/2023
--------
Rohy:
660 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Radontsoa Mamiratra
Nampiditra : ravelonarivomirado2001
Daty : 26/04/2023 20:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0583