Eto amin'ity tany ity (Ny ToKy ( NTK ))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana kosa hoy aho
Ny fiainana eto an-tany
Nahoana kosa hoy aho
Toa manaikitra aoka izany

Ny ambony ambony ihany
Ny tsy manana mifetaka amin’ny tany
Tsy misy izay mba fitovizan-jo
Eto amin’ity tany ity
Ny manana ao am-paradisa keliny
Ny mafy ady indreo mandany kosa ny heriny
Satria tsy maintsy mihinana amin’ny fiainana
Ka iza ? zovy no mba hitarainana ?
Eto amin’ity tany ity

Diniho sy jereo
Na mahagaga ihany
Ny mizanan-dry zareo
Fa toa ambony ambany
Eto amin’ity tany ity

Ny ngetroka dia sambatra finaritra
Ny mahanitra kosa indreo mitafo lanitra
Tsy mba manank-kialofana fa miafy
Eny na sakafo izany na koa fitafy
Eto amin’ity tany ity

Ny iray rà ihany no mandatsa
Ny fony anefa hota fa voaratra
Rahoviana vao mba hitraka
Sa dia mandra-maty no hizaka
--------
Rohy:
Sokajy : Ny ToKy ( NTK )
1466 2
Mpakafy: ntk - miharimanana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )
Nampiditra : ntk
Daty : 06/03/2012 19:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148