Nofy sisa . . . - Ny ToKy ( NTK )
Azo vakiana?
Nofy sisa . . .
Alahelo avy ao anaty ,
Sento tokana tsy satry
Tsy mampatory rehefa alina
Lasa saina malimalina
Mitampify izy irery
Ireto masony te hijery
Fa any ianao, tsy fantatra
Hoe maninona ? ankamantatra
Dia ny nofy sisa no hany azo atao
Izay no mba fomba kely hiarahako aminao
NtK 2012_04_12
Mombamomba
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )

Nampiditra : ntk
Daty : 17/05/2012
Mpamangy : 1495
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
GASIKARAAza kivy
Rehefa tia
Revy sa ditra ?
Ho tsiambaratelo
Kalo (miaraka amin'i HARIAINA)
Any ho any
kilalao
Neny
Eto amin'ity tany ity