Ho tsiambaratelo - Ny ToKy ( NTK )
Azo vakiana?
Indraindray feno dia feno
ny fitiavantsika
Indraindray mila tsy ho heno
toy ny efa ritra
aoka ho ahy irery
ianao tsy hiteny
ho tsiambaratelo
ny ady sy alahelo
ny fitiavantsika
indraindray mahafatifaty
ny masonao mijery
indraindray mila tsy ho tanty
manan-kery miery
sanganehana aho
tsy hitako ny hatao
nefa aoka ho ahy
sy ho anao irery
"reny rehetra ireny
Afeno, aza lazaina
na amin'iza na amin'iza
tandremo: aza fafaina
ho tsiambaratelo
ho tsiambaratelo
ny ady sy alahelo
tia sady mankahala
ts'isy hahalala
NTK 2012 MARS
Sokajy :
Aingam-panahy, Alahelo, embona, Eritreritra mandalo, Fampaherezana, fanantenana, fiainana, Fitiavana, manokana, Ny ToKy ( NTK ), rindra, tantara, Tontolo iainana
Hevitra mandeha
Soarilala (21/03/2012 20:34:58)
ntk (22/03/2012 07:10:01)
Mombamomba
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )

Nampiditra : ntk
Daty : 20/03/2012
Mpamangy : 1661
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
GASIKARAAza kivy
Rehefa tia
Nofy sisa . . .
Revy sa ditra ?
Kalo (miaraka amin'i HARIAINA)
Any ho any
kilalao
Neny
Eto amin'ity tany ity