kilalao - Ny ToKy ( NTK )
Azo vakiana?
Fahiny, mbola kely
Raha iny fialan-tsasatra
Satry foana hilalao
Miaraka amin’ireo tary
Fanenjika, fangala-piery
Toa mitsikitsiky fatratra
Tsy mety lany atao
Tsinkonina, kivarivary
Miafina dia mitsaoka
kasikasy kapoaka
Teo koa ny baolina
Ny bandy sy raolina
Fahiny mpandoto lamba
Raha iny tsy ho adino
Satry foana hianin-kazo
Sy ny hafa tsy voatanisa
Tao ny raosy jamba
Teo koa ny tandrimo
Alahady sovaly hazo
Ary koa gorisagorisa
Mitokiky manal’azy
Rehefa mariazy mariazy
Tsy tiana ho tapitra ny lera
Manao dokotera dokotera
Mamy tokoa; ara-lanitra, kalesa, kapsily sy ny sisa
Tena maro tokoa saingy tsy ho voatanisa
Fa ny tsy ho adino rahatrizay
Dia ilay avy mangataka izahay…
NTK 2012 Mars
Hevitra mandeha
carinamihary (26/03/2012 06:29:31)
Mombamomba
Mpanoratra : Ny ToKy ( NTK )

Nampiditra : ntk
Daty : 13/03/2012
Mpamangy : 1723
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
GASIKARAAza kivy
Rehefa tia
Nofy sisa . . .
Revy sa ditra ?
Ho tsiambaratelo
Kalo (miaraka amin'i HARIAINA)
Any ho any
Neny
Eto amin'ity tany ity