Intsony - Oully
Azo vakiana?
Porofo :
Miantso izy, fa
Tsy ny anarako intsony
Mihaino izy, fa
Ny resako ihany no hamavoiny
Ohatra:
Manangana izy, fa
Hiafaràny sy iny olon’iny
Mandrava izy, fa
Ny fifankatiavanay feno tsiny (hono)
Manondraka izy, fa
Felana hafa no mamony
Mioty izy, fa
Nofidiany tsara izay ambony
Hany hery dia ...
Manafatra izy, fa
Veloma hono antsoiny
Mitia izy, fa
Ny fony tsy any intsony.
Nîmes, 03 jolay 2004
11ora : 44 mn
Hevitra mandeha
bichette (15/07/2004 07:31:16)
fa dia inona loatra ity aky ry malala a ?
nikopol (15/07/2004 10:06:16)
Tsôla nie!
Mahafinaritra izany mijaly izany : porofon'ny fahavelomana.
riina (04/12/2006 13:10:15)
Mombamomba
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : OullyDaty : 13/07/2004
Mpamangy : 2123
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SanatriavikoNY ADIN'NY RENY
MENDRIKA
Loko niofo
Anareo roa
Tsia
Saro-baliana
Ilay
SERASERA
Fanontaniana